...

1. Fanomanana ny tany b) Fisafidianana masomboly

by user

on
Category: Documents
7

views

Report

Comments

Transcript

1. Fanomanana ny tany b) Fisafidianana masomboly
1. Fanomanana ny tany
Mitondra zezi-pahitra masaka tsara maherin’ny 5t/ha
mandritry ny fiasana tany izay atao iray volana
mialoha ny fanetsana farafahatarany.
Atao ambany asa ny zezipahitra
Toerana ahitana ny masomboly voamarina:
CMS Sakay, GPS (Tantsaha mpamokatra masomboly)
GPS Mirana
Ankadinondry
034 43 331 48
CMS Sakay
Ankadinondry
033 14 606 08
KVM Mahasolo
Mahasolo
033 12 386 27
KTVI Firavahana
Firavahana
032 88 366 55
Fenoarivobe
032 46 703 65
Firavahana
032 24 343 36
RALAIHOSY Jean Baptiste
Ambalanirana
033 04 467 55
RAKOTONJANAHARY Pierre
Ambalanirana
033 11 012 50
KOFIF Fenoarivobe
KFKP Firavahana
c) Fifantenana
Masomboly
2. Ny taninketsa
a) Fanomanana taniketsa torim-boly
Haavony: 10-15sm, Sakany: 1m ary ny halavany dia
miankina @ velaran’ny tanimbary (ohatra: 5m ho
an’ny 5a).
- Aravona maina aloha ny taniketsa ary hampahitsiana
@amin’ny rano avy eo.
- Atao marin-drano ny taniketsa.
- Itondrana zezi-pahitra 1 sobika/㎡
Tsara raha ny tanimbary voahomana hanetsana ihany
no amaritana anaovana taninketsa.
b) Fisafidianana masomboly
Masomboly
nohatsaraina
voafantina, tsy mifangaro,
ampiasaina.
sy
fampitsimohana
Fifantenana masomboly
Araraka anaty siny plastika misy rano ny ketsa,
haroharoina, esorina ny voa mitsingevana,
ny
mavesatra izany hoe izay any ambany indrindra no
ampiasaina ho masomboly.
Fampitsimohana
Ny masomboly ampiasaina dia alona anaty rano
mandram-piandry ny fitsimohany, ka atao ivelan’ny
trano ho tratrin’ny hain’andro @ atoandro ary
hampidirina an-trano @ alina. Soloy isa-maraina ny
rano ary araho maso ny fiovan’ny masomboly.
Manomboka mitsimoka izy io 3 ka hatramin’ny 5
andro eo ho eo farafahaingany.
voamarina,
madio no
Tsy tsara raha lava loatra ny tsimoka (jereo ny sary)
d) Famafazana
Masomboly iray (1) kapoaka no afafy eo @ taniketsa
1㎡, Atsika tsara ny masomboly mba hahamora ny
famafazana.
Rehefa mamafy dia afafy moramora sy kelikely mba
hampitovy tantana azy.
Marefo ny ketsa rehefa
matevina loatra ny
famafazava.
e) Fandrakofana ny ketsa
Raraho vovo-tany masaka manify, tsy asiana mipoitra
ny masomboly. Tsindriana tanana avy eo mba
hifatratra. Rakofy bozaka maina na mololo madio
hiarovana @ hain’andro sy ny fanimban’ny vorona.
Rehefa manomboka mitsiry ny ketsa dia esorina ny
rakotra.
Fitantanan-drano
Ampidirina ny rano ary hajanona rehefa mando tsara
ny fanambonin’ny torim-boly. Rehefa mitsika ny rano
ka ho maina ny taniketsa dia hampidiran-drano indray.
Tsara raha fafazana Urée na DAP iray tanana / ㎡
(70g) ny taniketsa 7 andro alohan’ny hanetsana
3. Fihosena
Rehefa vita ny vadik’asa izay atao alohan’ny fihosena
dia ampidirana rano mandrapaha feno ny tanimbary,
afafy ny zezibazaha (DAP 50kg/ha + Urea 25kg/ha)
ary tsy avela hivoaka intsony ny rano.
Mampiasa omby na ragiragy mba hanapotika tsara ny
bainga, mandritra ny fihosena dia fakoina ireo bozaka
tsy levona. Rehefa malemy tsara ny bainga dia aravina
ho marindrano tsara ny tanimbary ary avela hipetraka
iray andro sy iray alina alohan’ny hanetsana.
5sm ny ahavon’ny rano 5sm ny ahavon’ny rano
aorian’ny fanetsana. Ahena 2na3sm afaka herinandro
ary tazonina eo. Ritina tanteraka ny rano 15 andro
alohan’ny fijinjana.
Ady amin’ny ahidratsy:
Raha vao misy ahitra mipoitra dia atao ny fihavana
voalohany amin’ny sarklezy ary atao mifanapaka.
(tokony ho folo (10) andro aorian’ny fanetsana)
15 andro aorian’io no atao ny fiavana sarklezy faharoa
ary arahina ava Tanana mba hanalana ireo ahidratsy
eny amin’ny fotobary.
HAITAO TEKNIKA
HO AN’NY VARY AN-DRANO
4. Fanetsana
Ketsa 4 ravina ary 2 na 3 isampototra no aketsa.
Sorohina ny ketsa ary apetraka ao naty tanimbary
hanetsana. Atao diam-panorona (20sm x20sm na 25sm
x25sm) ny fanetsana, mampiasa raionera na toratady.
Manetsa marivo, 2 na 3sm.
5. Fikojakojana
Fitantanana ny rano:
*Sarklezy Azonao jifaina eny amin’ireo mpamokatra
fitaovam-pamokarana eto amin’nu faritra Bongolava
niofana tamin’ny tetikasa :
RANDRIAMIARANA Haritsimba: 033 13 440 37
RABEMANANTANY Jean Michel: 034 10 753 22
Fitondrana zezika fanampiny:
Mampitombo ny vokatra ny fitondrana Urea (zezika
siramamy)
25kg/ha
(1kapoka/ara)
alohan’ny
misondro-dreny (tokony ho dimy amby telopolo (35)
andro aorian’ny fanetsana).
6. Fijinjana:
Atao rehefa manopy mavo ny ¾ ny salohim-bary.
Mampiasa masinina fivelezam-bary hahazoana
vokatra tsara kalitao (fotsimbary tsy vaky)
FARITRA
BONGOLAVA
PAPRiz Bongolava: 034 43 331 48
Birao: DRDR Bongolava
Martsa 2015
LASA ALOHA
MASAKA
ALOH
A
ALOH
A
REFONA
Fly UP